<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jehovah ô! Hianao no Vatolampy AN21</title>
<lyrics>[V1]
 // Jehovah ô! Hianao no Vatolampy iorenan'ny finoanay sy fanantenanay, Jehovah ô, Jehovah ô! //
 Mpamonjy mora azo indrindra, ka mety mba hanavotra izay manota.
 Jehovah ô, Hianao no faleha: mijere anay, ry Tompo Masina ô! Dia tafionao ny hery vaovao ny mpanomponao, ho mendrika ny asa izay atao izao, aty antranonao, noho ny fitiavanao anay. Ka ny dera aman-data, hery voninahitra anie, ho Anao mandrakizay, Jehovah Tompo ô! Jehovah ô! Jehovah ô!
 Jehovah ô! Hianao no faleha: mijere anay ry Tompo Masina ô!</lyrics>
<hymn_number>21</hymn_number>
</song>